Ny bokin'i Maeva74

Nampidirin'i : maeva74
Sokajy : Boky
Ny diarin'i Rado ("extrait" Rado, ilay fitiavako fahiny)

“ Androany faha….
Nanjombona tamiko loatra ny andro androany, rava ny fanantenako rehetra. Dia tapa-kevitra tokoa i Lila ny handao ahy…Voatery hono mantsy izy. Handeha hanambady any ampitan-dranomasina hono i Lila! Nanindrona ny foko loatra ny nilazany tsy nisy alahelo akory fa tsy afaka hiandry ahy izy na dia tia ahy aza satria tsy manana anton’asa aho ka tsy afaka hamelona azy sy hanatanteraka ny nofinofiny. Hanainga ho any Frantsa ny zoma ho avy izao hono izy satria efa miandry azy any ny fofombadiny. Fofombadiny??? Hay moa izany no nahavarimbariana azy tao ho ao izay, nitady olon-kafa izy fa tsy ampy azy intsony ny fitiavana natolotro azy. Tsy nampoiziko ho marina ny siosion-dresaka momba azy fa noheveriko ho vavan’ny mpialona. Indrisy!!! Toa tsy nino ny saiko nefa dia izay no izy. Dia sahinao tokoa ve ry Lila? Tsy nisy dikany taminao ve ireny fitiavantsika ireny? Ary ireny fotoana nahafinaritra niarahantsika ireny? …

Toy ny fitsatoky ny sabatra tato am-poko ny tenin’i Lila hoe: “tsy mahasambatra ny fitia fotsiny”. Tsy ampy azy hono izany fa mila miaina izy, mila mahita tany, mila mahazo izay tiany toy ny fiara, trano sy ny rendrarendra ary lamaody isan-karazany. Mavomavo tokoa aho ka nohitsakitsahina. Raha nihodina niala teo aminy aho dia norohany tampoka ny takolako. Oroka farany hoy izy na dia ireny fiarahana ireny ihany aza. Nofemperany mafy aho avy eo tsy hanoratra aminy intsony sao hanimba ny tokantranony hono. Toy ny renirano ny ranomaso tsy tana nanorika ny tavako saingy niondrika aho sady nohodina malaky nandao azy satria tsy tiako ho hitan’i Lila ny fahareseko. Eny, eto am-panoratana izao diary izao aza dia mbola mijohy ny ranomasoko mamonto ny pejy. Mafy loatra ny nataon’i Lila tamiko ka tsy zakan’ny foko torotoro.
Tsy nahandry ny fotoana hanendren’ny fanjakana ahy ho mampianatra izy, anefa indrisy fa na ho tanteraka koa aza izany dia tsy hahafahako manome fahafahampo azy velively izay ho karamako.

Indrisy ry Lila, voaloham-pitiavako, ataoko ahoana ny ho fanadino anao? Ianao ilay olona tsotra sy maontina fahiny toa niofo tampoka toy ny lolo ka lasa misidina tsy ho voatanako intsony. Tsy mampino! Very maina ny taona maro niarahana sy nilofosako tamin’ny fianana mba hanome hoavy mamiratra ho anao. Diso fanantenana aho! Misy tokoa ve ny tena fitiavana e? Sa ny vola aman-karena no mibaiko ny fon’olombelona ho tia? Eny e, izay no safidiny ka ekeko. Tsy maintsy mitraka aho fa lehilahy. Mivalona hatreo ny tantaranay sy Lila nefa raha mbola misy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenan’ny mahantra. Mbola ho avy ny maraina. Mino aho fa mbola misy anjarako any ho any, hitondra ilay fitiavana tsy misy fitaka…”